SportTsidika

Tontosa ny « Rallye du Vakinankaratra »

Tontosa soa aman-tsara tao Antsirabe ny dingana faharoa tamin’ny fiadiana ho tompondakan’I Madagasikara « Rallye du Vakinankaratra ». Nifarana ny alahady teo ny hetsika ary nibata ny amboara tamin’izany ny ekipan’ny TMF sy Tac’s. P.208 T 16 no nentin’i Rasoamaromaka Mika sy Rasata Herindraibe Fabrice nandritra ity fifaninana ity, izay nampisehoany ny fahaizany mamily mihitsy. Saika izy roa lahy avokoa no nandrombaka ny fandresena nandritra ireo dingana manokana “épreuves Spéciales” miisa 14.

Raha tsiahivina dia i Sitraka sy i Rado no nandresy tamin’ny dingana voalohany « Rallye Andranovelona ». Tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia fahatelo tao aorian’ny Subaru Impreza an’i Rivo sy Ando izy mianaka. Rivo sy Ando izay tonga 3 minitra tao aorian’ny mpandresy ary narahin’i Sitraka sy Rado akaiky, 48 segondra.

Ny dingana « Rallye dy Boeny » manaraka kosa dia efa fantatra fa hotontosaina ny 12 hatramin’ny 14 aogositra izao.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire