Efa mizotra ny fanadinana BEPC manerana ny nosy
Manomboka androany alatsinainy 19 jolay ny fanadinam-panjakana BEPC ka ny taranja Malagasy no nanombohana izany ny maraina raha ny SVT ny tapany hariva. « Efa niomana nandritra ny fotoana ela izahay satria dingana lehibe eo amin’ny fiainan’ny fanabeazana ny BEPC » hoy i Larissa, mpianatra hanala izany fanadinana izany.
Tsy miova amin’ny isan-taona ny fandaharana mandritra io fanadinana io raha ny Matematika sy ny Frantsay ny talata, Ny tantara; Jeografia, ny fanabeazam-boho ary ny Fizika kosa no hanadinana ny alarobia ho avy izao. Ny teny vahiny kosa no hamaranana azy toy ny espagnol na allemand na anglisy hoy ny talen-tsekoly iray.
Nitondra ny teny firarian-tsoa ho an’ireo mpanala fanadinana kosa ny Ministry ny fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. « Rariny sy hitsiny raha mirary soa sy fahombiazana ho anareo mpiadina ny tenako satria hiatrika ny fanadinana BEPC ianareo. Mirary anareo ho tody soa amin’izany sedra sy dingana tsy maintsy hatrehina izany ny tenako », hoy izy.
Zava-dehibe ihany koa anefa ny fanohanana avy amin’ireo ray aman-dreny amin’izao fanadinana izao na ara-kevitra izany na ara-tsakafo indrindra ny fanohanana amin’ny lafiny rehetra.
Nicole Rafalimananjara
