ActualitésTsidika

Ho hentitra ny zandary manoloana ny kolikoly eny an-dalana

Mitohy hatrany amin’izao ny ady manoloana ny kolikoly, na ny vahoaka na ny manam-pahefana mandala ny fahamarinana dia miantsehatra ao amin’izany avokoa. « Ny Zandarimaria manerana ny nosy, ary anisany izahay eto Vakinankaratra dia miady hanafoana ny kolikoly » hoy ny avy ao amin’ny Zandarimaria Vakinakaratra.

Maro ny endrika isehoany fa isan’ireo tena iadian’ireo zandary dia ny kolikoly eny amin’ny lalana, izay iandraiketan’ny « Brigade de Sécurité routière ». « Misy fiara tsy manaran-dalàna dia mody manome kely ny zandary, amin’izay afaka mora foana » hoy ny mpampiasa làlana iray, manana ny fiarany manokana. Izany indrindra no hanentanan’ny zandary ny rehetra mba hanatsahatra izany fomba ratsy izany ka tokony ho karakaraina sy kojakojaina tsara ny fiara vao entina.

Ho hentitra izy ireo manoloana ny kolikoly ka manentana ny mba hanatsaharana ny fandikan-dalàna mikasika ny fifamoivoizana sy ny fitaterana izay isan’ny tena anton’ny lozam-pifamoivoizana.  « Mitovy ny sazy azon’ny mpanao kolikoly manome sy ny kolikoly mandray », hoy i Alex mpahay lalàna. Tompon’andraikitra ihany koa anefa isika vahoaka tsotra izay mahita trangana kolikoly mba hampandre izany any amin’ny tompon’andraikitra. Ny fanafoanana tanteraka ny kolikoly dia isan’ny vahaolana ho an’ity firenentsika ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire