ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Manjaka ny halatra jiro amoron-dalana

Vao tsy ela no nametrahana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro hanazava ny lalana sy hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana ny isam-pokontany. Amin’izao fotoana izao, manomboka lasan’ny mpangalatra avokoa ireo jiro manazava  ny lalana, ao Sabotsy Namehana, araka ny voalaza.

« Manaitra ny kaominina sy ireo mpitandro filaminana fa efa tsy rariny ny ataon’ny olona sasany, mangalatra ireo jiro amin’ny poteaux. Teny amin’ny faritra Antendro sy Ambodivondava no nisehoan’izany » hoy i Fidy, mponina ao Sabotsy Namehana.

« Anisan’ny toe-tsaina mampalahelo ary tsy io no tsy mampivoatra ny ankamaroan’ny olona ny mangalatra ny fananam-bahoaka. Jiro mba manazava ny lalana kanefa tsy fantatra na ireo efa olon-dratsy mpanendaka ihany koa no maka azy » hoy i Felana, mpivarotra.

Fananana iombonana ny jiro napetraka hanazavana ny lalana. Tokony samy sarotiny amin’izany avokoa ny tsirairay ary hiara-hientana amin’ny fiarovana azy ireny. Raha samy hijery sy hanaiky foana ny zava-misy, aiza ny fampandrosoana ao anatin’izany?

Manitra R.

Laisser un commentaire