ActualitésTatitra

Better Work : Manome lanja ny zon’ny mpiasa

Ny Better Work dia fiaraha-miasa eo amin’ny OIT (Organisation internationale du travail) sy ny vondrona iraisam-pirenena ary ny IFC (Société financière internationale). Drafitra iray mampivondrona ny ambaratonga rehetra ny indostrian’ny akanjo izy io mba hanatsarana ny sehatry ny asa sy ny fanajana ny zon’ny mpiasa ary ny fanamafisana ny fifaninanana eo amin’ny samy orinasa misehatra amin’izany famokarana akanjo izany.

Misy amin’ny firenena fito ny Better Work, isan’izany i Madagasikara. Nanomboka ny faran’ny taona 2021 dia namolavola « intervention pilote » niaraka tamin’ny OIT teto Madagasikara ny Better Work. Tanjona napetrak’izy ireo tamin’izany ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ny governemanta, ny mpampiasa ary ny mpiasa ary koa ny fampiroborobo ny fanajana ny fenitra iraisam-pirenena momba ny asa.

Laisser un commentaire