Prize money CHAN : Maniraka ny Minisitra tompon’andraikitra ny Filoham-pirenena amin’ny fitantana io lelavola io
Dépêche 08 mai, 13h, Voairaky ny Filoham-pirenena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny amin’ny hijerevana akaiky io fomba fitantanana ny Prize Money izay azon’ireo Barea A’ ireo. Mitentina 500 000 USD izany noho ny amin’ny maha laharana fahatelo azy ireo. Henatra eo anatrehan’izao tontolo izao ny toe-javatra toy izao hoy ny Filoham-pirenena, izy ireo no nisasatra sy nitsemboka ka mendrika azy ireo ny anjarany rehetra. Marihina fa 30% tamin’io lelavola io isan’olona no azon’ireto mpilalao ireto ka izany no tsy haneken’izy ireo izany.
