Lehilahy iray voasazy noho ny tsy nanaja ny fananganan-tsaina
Vao kely teny amin’ny ambaratonga fototra ny zaza Malagasy rehetra dia nampianarina ny fomba tokony atao rehefa manangan-tsaina. Mila manaja ny sainam-pirenena mba hanajan’ny hafa ny antsika ihany koa. Lehilahy iray nandeha nandritra ny fananganan-tsaina ka voasazy avy hatrany.
Tsy maintsy manaja ny sainam-pirenena isika satria io no manambara fa masina ny Tanindrazana hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Ny olom-pirenena rehetra manoloana ny saina dia tsy maintsy mijaridina manao jery atrika mandritra ny fananganan-tsaina ; tànana manara-batana, tsy mitongilangilana, tsy manao tànana am-paosy, tsy mitazona tànana eo amin’ny kibo, tsy misatroka, tsy mitazona elo hoy ny fanehoan-kevitry ny maro raha nanontaniana ireo fihetsika tokony hatao manoloana ny sainm-pirenena.
Ny olom-pirenena tsy eo amin’ny fananganan-tsaina fa any ivelany na eny amin’ny arabe, ka mahita na mahare fanangana-tsaina dia tsy maintsy mijanona na manao jery atrika ihany koa hoy ihany koa ny Minisitera. Kolontsaina tokony hajaina izany ary ezahana ho lasa fahazarana mba ho fanomezan-kasina ny nosintsika.
Nicole Rafalimananjara
