Morondava : Mpiasan’ny fizahantany miisa fito no arahi-maso
Tsy mifidy toerana ny hala-tety, izany no tena mampitaraina ny mpampiasa manoloana ny fihetsika ataon’ny mpiasa. Tia kely ny gasy ary tia tena ihany koa, hany ka tsy mikatsaka fa tsy izay mampitombo ny ao am-paosy hoy ny mpampianatra iray raha naneho ny heviny mikasika ny kolikoly eto Madagasikara.
Toy izany tokoa mantsy no nitranga tany Morondava. Mpiasa miisa fito ao amin’ny Fitalevam-paritry ny fizahantany sy ny fitaterana ary ny famantarana ny toetr’andro Menabe no arahi-maso ara-pitsarana ankehitriny taorian’ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Morondava tamin’ny faran’ny herinandro teo. Fanararaotam-pahefana, fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka ary fanodikondinam-bola no vesatra anenjehana azy ireo. Izany no hita taorian’ny fidinana ifotony sy fanadihadiana nataon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly avy Antananarivo.
Mbola ezaka goavana tokoa ny ady hatao amin’ny kolikoly raha ny eto Madagasikara manokana.
Nicole Rafalimananjaraahimaso
