Tokony ho tonga eto Madagasikara ny 10 aogositra ny andiany faharoa amin’ny vaksiny
Tsy mbola voafaritra mazava ny daty ahatongavan’ny vaksiny andiany faharoa eto Madagasikara. Mbola maro ireo tsy afaka nisitraka izany ka araka ny vaovao azo dia tokony ho ampy ireo olona mbola tsy vita vaksiny nandritra ny andiany voalohany izany.
Alohan’ny volana aogositra izao no vinavinaina ahatongavan’izany hoy ny praiminisitra Ntsay Christian, ary efa eo am-panatanterahana ny asa mihitsy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka hoy izy. Mbola mitohy ny fandraisana ny Covishield amin’ity andiany faharoa ity saingy nanamafy ny praiminisitra fa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia mieritreritra ny hanafatra vaksiny hafa araka ny toro-hevitry ny akademia nasionaly, anisan’izany ny Johnson & Johnson, ny Pfizer ary ny Sinopharm. Ahoana indray izany no hitsinjarana ireo vaksiny ireo ?
Hasina Rasamimanana
