ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hanomboka ny volana aprily no hametrahana ny fitsinjarana rano ao amin’ny fokontany Ambohipeno

Notanterahina tamin’ny alahady teo, araka ny fangatahan’ny mponina tao amin’ny fokontany Ambohipeno, ny fivoriana, fanolorana ny fandaharan’asan’ny mpitantana ny rano vaovao, dia ny orinasa Eert, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola.

« Araky ny fangatahana nataon’ny mponina dia natokana ny fivoriana fanolorana ny mpitantana vaovao ho an’ny fokontany ambohipeno. Tapaka tamin’izany fa ny volana aprily izao no hanatanterahana ny forage ary hisy ny lamina amin’ny fitsinjarana ny rano mandrapatongan’ny volana Aprily » hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.

« Hisy ihany koa ny fanadihadiana ho fanitsiana ny paikadin-tserasera ho an’ny fokontany Ambohipeno. Aorian’ny fokontany Ambohipeno, dia ny fokontany Iharamy indray no hanaovana ny fanatsarana sy ny fampandehanana maharitra manomboka ny volana febroary » hoy hatrany ny fanazavana.

Ao anatin’ny fanombohan’ny fanatsarana ny tolotra rano fisotro madio ireo mpitantana ny rano vaovao ao amin’ny kaominina amin’izao fotoana. Hihitatra miandalana amin’ny fokontany hafa moa izany fanatsarana izany.

Laisser un commentaire