ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tsy mora ny adidy iantsorohan’ny reny

Nisy ny fanamarihana ny fankalazana ny fetin’ny reny tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nifampizara mofomamy ny vadin’ny ben’ny tanàna sy ireo reny mpiasa ao amin’ny kaominina.

« Mirary soa antsika anareo. Tsy mora izany adidy alan’a ndraikitra iantsorohan’ny reny izany. Rariny loatra raha toa ka misy ny fotoana hirariana soa asy hankaherezana azy ireny » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy. « Tsy natao ambanin-javatra ny asa amin’ny fitantanana ny tanàna. Tsy adino ihnay koa anefa ny ankohonana. Mila fifanohanana sy fifanampiana ny reny mba tsy ho kivy » hoy i Dina, renim-pianakviana. Nahazo mofomamy ireo reny mpiasan’ny kaominina, ho mariky ny hamamian’ny maha zava-dehibe ny fananana reny. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire