Ambohimanga : Betsaka ireo olona tonga nijery maso
Tontosa ny 30 Aprily lasa teo ny hetsika fizaha-maso tao amin’ny Kaominina Ambohimanga. Tsy vitsy ireo naira-nientana hahatontosan’ity hetsika ity toy ny Rotaract Club Antananarivo Faneva sy ny Fikambanana Manohisoa, ny Leo Club Antananarivo SoaTia, ny Luxoptica, ny Leo Club Antananarivo Ravinala-LCAR.
“Tontosa soa aman-tsara ny hetsika “Mamiratra” teto amin’ny kaominina Ambohimanga Rova. Efa an-jatony ireo olona nisitraka ny hetsika. Nisy ireo nahazo solomaso maimaimpoana taorian’ny fizahana ye to’ny mpitsabo” hoy ny avy ao amin’ny Rotaract Club Antananarivo Faneva. “Tena manampy betsaka anay antitra tsy afa-mandeha lavitra mizaha fahasalamana mihitsy ny toy izao. Manampy betsaka ihany koa amin’ny fanaovana solomaso satria ny tena efa antitra, tsy afaka miasa intsony. Ary nomena solomaso maimaimpoana rehefa nojeren’ny dokotera” hoy ny raiamandreny iray tao Ambohimanga Rova.
Miezaka manaparitaka ny hetsika ireto mpikarakara. Hirariana ho betsaka hatrany ny hisitraka izany ho fanampiana ny olona manoloana ny areti-maso izay efa miparitaka amin’izao noho ny fanatontoloana.
Nicole Rafalimananjara
