Tsidika

Ambatolampy Atehiroka : Mitokona nohon’ny fahatapahan-jiro lavareny ireo mponina

Omaly vao maraina dia niatrana nitokona teny amin’ny arabe ireo vahoakan’Ambatolampy Antehiroka, nandrehitra kodiarana fiara sy nitabataba. Araka ny fanazavana dia maneho ny tsy fankasitrany ny amin’ny fahatapahan-jiro lavareny ireo mponina ka izao nidina an-dalam-be nanao fitakiana izao. vokatr’izany dia tapaka tanteraka ny lalana teny an-toerana.

« Maharitra ora maro ny fahatapahan-jiro ety amin’ny faritra misy anay ety. Maro ireo mponina no efa velon-taraina noho izany satria maro ny fitaovana elektrika no simba . Ankoatra izay dia mijaly ireo mpandraharaha miasa tena mampiasa ny jiron’ny Jirama no miditra faty antoka satria zara raha misy vita ny asa nohon’ny fahatapahan-jiro » hoy ny mponina.

« Leo izahay. Leo ny fahatapahan-jiro tsy misy fiafarany. Isan’andro dia tapaka foana ny jiro ety aminay ary tena maharitra fotoana lava izany. Ny vola anefa aloha foana ihany isam-bolana ary tsy mitsaha-miakatra. Haizina lava no iainana. Vahao ny olanay. Mandoha vola izahay kanefa ny fahatapahan-jiro i,ndray no maharitra nohon’ny fotoana andehanany » hoy ireo mponina mitokona.

Iaraha-mahalala ny olan’ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo ary saika ny faritra rehetra mihitsy no lasibatr’izany. Maro ihany koa ireo fampanantenana efa nambara mahakasika ity olana ity saingy hatramin’izao dia mbola tsy voavaha izany. Ankehitriny dia efa zary lasa fahazarana ny mahita ny fahatapahan-jiro ary ny tsy fahatapahany indray no lasa mahagaga ny maro.

Miranto Andriharisoa

Laisser un commentaire