ActualitésSocialTsidika

Masindray : Mitaraina manoloana ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpaka fasika ireo mpamboly

Mitaraina ireo mpamboly noho ny hafitsok’ireo mpaka fasika ao amin’ny fokontany Miadamanjaka, kaominina Masindray. Voakaokan’ireo mpaka fasika ny sisin’ny tanimboly ka mampihotsaka izany miaraka amin’ireo voly ao an-toerana, araka ny voalaza.

« Tsy orana avy akory na ranotrambo mandalo no mampihotsaka ity tany eto ity fa vokatry ny fakana fasika ao ambadika ao. Mirotsaka manaraka ny tany ao daholo ireo voly vokatr’izany. Hanaraina ny tomponandraikitra mba hijery sy handray fepetra malaky satria raha tsy misy ny fandraisana andraikitra dia faty antoka no hitanay. Efa maro ihany ny fitarainana nalefa fa tsy mbola nahitam-baliny” hoy ireo mpamboly ao an-toerana.

“Efa maro  ny dingana natao ary tsy mitazana fotsiny ny tomponandraikitry ny kaominina manoloana izao zava-misy izao. Efa nisy ny fifampiresahana natao tamin’ny solotenan’ireo mpaka fasika. Ny kaominina dia tsy hanome halalana azy ireo haka ny tanimboly ka mananjo ny mpamboly hitory ireo tsy manara-dalàna” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

Masimandidy amin’ny taniny ny olona rehefa tompony ka manana ny rariny. Azo atao ny mitory sy mandray fanapahan-kevitra manoloana ny tsy rariny. Azo atao tsara araka izany ny mametraka sakana sy mandrara ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny alalan’ny fitoriana eny amin’ny  tomponandraikitra mahefa.

Manitra R.

Laisser un commentaire