SocialTatitra

Myanmar : Mikasa ny hanangana governemanta ireo solombavambahoaka sasany

Ireo solombavambahoaka voaongana nandritran’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila ao Birmanie no manao fanambarana ankehitriny fa hanangana governemanta. Mikendry ny hamerina amin’ny laoniny ny demokrasia ireto solombavambahoaka ireto. Izy ireto izay tarihin’ny mpitantana teo aloha Aung San Su kyi sy ireo mpanao politika avy amin’ny foko maromaro. “ Governemanta matoatoa no hilazan’ireo mponina any an-toerana ity fikasan’ny solombavambahoaka ara demokraty ity governementa ity. Ho fanampian’ny fiverenan’ny demokrasia, mangataka fandraisa na andraikitra lehibe avy amin’ireo solombavambahoaka ny mahakasika vondrom-poko vitsy an’isa izay hahiliky ny vondrom-poko Bamar maro an’isa amin’izao fotoana izao. Hanomboka hanome fampihofanana ireto governemanta ireto araka izany ny mpomban’ny Aung San Su Kyi.

Laisser un commentaire