Dépêches

Tovolahy nanolana zazavavikely anakiroa

20 Aprily, 10h30. Hiakatra fitsarana androany 19 Avrily ilay tovolahy 21 nanolana ankizivavikely anakiroa, 6 sy 8 taona tany Ambohimanala Andoharanofotsy. Tamin’ny Alatsinainy 12 Avrily teo no niseho ny fanolanana, ilay ankizivavikely 6 taona aloha no norahonan’ity olon-dratsy tamin’ny antsy ary nentin’ity farany tamina toerana mangingina. Ary nanapatra ny filan-dratsiny teo ilay jiolahy. Tovolahy mpifanila vodirindrina amin’izy ireo ihany ity ary tsy nanaiky hatramin’ny farany ny ray aman-drenin’ilay ankizivavikely na dia nanao izay marimaritr’iraisana ihany aza ny ray aman-drenin’ny ankilany. Niaiky ihany koa ity tovolahy ity fa nisy zazavavikely hafa 8 taona naolany ihany koa tamin’io andro io.

Laisser un commentaire