SportTatitra

Hong Kong : Voaheloka higadra an-tranomaizina I Jimmy Lai lehiben’ny gazety mpomba ny demokrasia

Voaheloka higadra an-tranomaizina mandritran’ny 14 volana I Jimmy Lai, mpanao gazety ao Hong kong, ary mpomba ny demokrasia. Ny zoma 16 aprily teo no nivoaka ny lalàna momba azy. Voaheloka noho ny anjara asany tamin’ny fikararana hetsika roa demokratika lehibe nanomboka tamin’ny taona 2019. Iray amin’ireo mpanohitra sivy voaheloka noho ny fikarakarana sy fandraisana anjara tamin’iray amin’ireo hetsi-panoherana lehibe indrindra ho an’ny demokrasia tamin’ny 18 aogositra 2019. Mpikatroka efatra hafa no nahazo sazy manomboka amin’ny 8 ka hatramin’ny 18 volana an-tranomaizina ary ny efatra kosa voaheloka sazy mihantona. Raha ny filazan’ny mpikarakara, nampivondrona olona 1,7 tapitrisa ity fihetsiketsehana ity , izay amin’ny efatra amin’ny vahoaka aoHong Kong. Mbola tsy voafaritra loatra aza moa io isa io hoy ireto mpikarakara ny hetsika io. Noho io fampivondronana io araka izany no hampigadra ity mpanao gazety iray ity mandritran’ny herintaona mahery.

Laisser un commentaire