SocialTatitra

Etats-Unis: Olona 14 no namoy ny ainy noho ny fisian’ireo tadio lehibe

Mahatratra 25 ireo tadio mahery vaika (tornade) nandalo tao amin’ny faritra atsimon’i Etazonia, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tao Texas, Oklahoma ary Arkansas no lasibatr’izany. Vokany, olona efatra ambinifolo farafahaeliny no namoy ny ainy. Hatramin’ny omaly, mbola nanohy ny fikarohana ireo olona sisa tavela any ambanin’ireo faharavana sy fahapoetahana isan-karazany ireo mpamonjjy voina any an-toerana. Raha ny namabaran’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro any amerikanina, dia nahatratra 25 ireo tadio namely tao an-toerana. Ny fito tao avaratr’i Dallas (Texas),  ary ahiana ny mety mbola hiakaran’io taha io raha ny nambaran’ny Sherif ao an-toerana.  Ny roa hafa kosa tao Oklahoma ary ny fito hafa tao Arkansas. Nanimba lalana, nandrava trano sy foto-drafitr’asa maro ireo loza voajanahary ireo. Trano 500.000 isa no tsy nisy jiro.

Laisser un commentaire