Maurice : Hanomboka afaka volana herinandro vitsivitsy ny fampiasana ny rongony ho amin’ny fitsaboana
Ny volana martsa teo no nanao fanambarana ny ministeran’ny fahasalamana tao amin’ny nosy Maurice fa afaka volana vitsivitsy dia ho ampiasaina amin’ny fitsaboana ao an-toerana ny rongony. Efa tontosa ny fanafarana izany, saingy misy fahatarany, antony ny fomba hafa tsy maintsy arahina amin’ny fanafarana izany hoy ny Dr Anil Jhugroo, mpitsabo saina sy « addictologue ».
Ny mpanafatra sy ny mpanondrana dia tsy maintsy manana ny fanomezan-dàlana sy fahazoan-dàlana ilaina rehetra avy amin’ny UNODC (United Nations Office on Drugs and Crime) manoloana ny fampiasana io rongony ho an’ny fitsaboana ara-dalàna io hoy izany. Noho izany dia afaka herinandro vitsivitsy vao hisy ny fampiasana izany raha ny fanamafisany.
Nilaza ny Dr Anil Jhugroo fa mbola dingana hafa ihany koa ny fanomezana marary iray io rongony io. Tsy azo omena fahatany izany fa tsy maintsy mandalo ny Medical Cannabis Therapeutic Committee izay ivondronana mpitsabo, manam-pahaizana ary mpivarotra fanafody vao mahazo omena izany ny marary iray.
