PolitiqueTatitra

Inde : Notokanana ny « temple de la discorde »

Notanterahina omaly ny fitokanana ny toeram-pivavahana lehibe Ram Mandir, ao Ayodhya, Inde. Nitarika ny lanonana tao an-toerana ny praiministra Narendra Modi. Ity toerana ity izay natao ho mariky ny fiandrianam-pirenena Hindou, taorian’ny faharavan’ireo toeram-pivavahana vokatry ny ady tao an-toerana. Ankoatra izay, ny fitokanana izany toerana ao avaratr’i Inde izany ihany koa dia manambara dingana goavana lehibe eo amin’ny fanatanterahana ny fampielezan-kevitra ho an’ity praiministra ity. Ary farany dia entina manamarika ny teboka farany eo amin’ny adim-pinoana dia ny silamo sy ny Hindou, efa ho 500 taona izao.

Laisser un commentaire