ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Nahazo ivon-toeram-pitsaboana vaovao

Nahazo ivon-toeram-pitsaboana vaovao, ny kaominina Sabotsy Namehana. Ny sabotsy teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Centre de santé Mamindra Aina (CSMA Tsarafara Sabotsy Namehana) izay natsangan’ny antoko Malagasy Miara-mianga, Vehivavy Malagasy Miara-Miainga (MMM_VMMM).

« Vonona hatrany ny Fikambanana hanohy ny asa fanasoavana ny mpiara-belona, nisokatra ary mandray antsika rehetra ny CSMA eto Sabtsy Namehana. Toeram-pitsaboana natsangan’ny MMM_VMMM hisitrahan’ny malagasy fitsaboana mendrika, amin’ny vidiny mirary izany » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Voalohan-karena ny fahasalamana, tsy ataontsika ambanin-javatra izany satria singa voalohany afahan’ny olona mihary sy mamokatra. Ato amin’ny toeram-pitsaboana moa dia ahitana médecine générale, dentisterie, échographie, salle d’accouchement, pharmacie » hoy hatrany ny fanazavana.

Mendrika ny ho salama ary manana zo hahazo fitsaboana sahazy azy avokoa ny olombelona rehetra. Ny antoko MMM dia anisan’ny manao ezaka ho fampisitrahana ny daholobe izany. Ankoatra ity ivon-toeram-pitsaboana ao Sabotsy Namehana ity dia ahitana izany ihany koa ao Ankadindratombo, Alasora.

Laisser un commentaire