ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Lehilahy iray no voasambotra taorian’ilay trangana vono olona

Lehilahy iray no voasambotry ny zandary, izay nahiana ho nandray anjara tamin’ny trangana famonoana raim-pianakaviana iray tao amin’ny faritra Ambohitrony, kaominina Ambohimanambola, ny tapa-bolana teo izao. Niakatra ny fampanovana ny faran’ny herinandro teo ity farany, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana azy, araka ny voalaza.

« Noho ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana, rehefa natao ny fanadihadiana sy ny fikarohana samihafa dia nahita nahiahiana ity lehilahy ity. Nisy moa ny porofo nenti-nanamarina izany ary efa natolotra ny fitsarana ny raharaha » hoy ny avy amin’ireo mpitandro filaminana.

« Efa tena tsy ampoizina intsony ny olona mahavita ratsy amin’izao fotoana izao. Tena mila sazy entitra ary lalàna famaizana mafy ny olon-dratsy mba tsy hampitombo isa ireo intsony. Tato ho ato dia tena nirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ety an-toerana » hoy i Felana, mponina ao Ambohimanambola.

Raha tsiahivina, fa noho ny tsatok’antsy maro nataon’ny olon-dratsy no niteraka ny fahafatesana teo amin’ilay raim-pianakavina tamin’ity tranga ity. Etsy ankilan’izany, ilaina hatrany ny fahamailona sy ny fiaraha-mientana raha misy ny tranga hafahafa manoloana ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana.

Manitra R.

Laisser un commentaire