ActualitésTatitra

Norvège : Magnus Carlsen, tompondakan’ny « jeu d’échecs »

Mbola tsy misy maharombaka ny amboaran’i Magnus Carlsen. Mpilalao « jeu d’échecs » avy ao Norvège ity farany. « Grand maître » eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’izany taranja izany ihany koa izy, laharana voalohany amin’ny « classement Elo » eran-tany ary tompondakan’ny eran-tanin’ny « jeu d’échecs » hatramin’ny taona 2013. Mbola naharesy an’i Ian Nepomniachtchi indray izy ny taona 2021 teo ka mbola mitondra ny anaram-boninahiny.

Nahatratra 2 882 ny isan’i Magnus Carlsen tamin’ny « classement Elo » ny 1 may 2014. Isa ambony indrindran’ny filaharana izany izay nihoatra ny isan’ilay sangan’ny teo amin’ny taranja Garry Kasparov, izay nanana isa 2 851 tamin’ny taona 1999.

Teraka ny 30 novambra 1990 tao Tønsberg i Magnus Carlsen. 5 taona izy no nianatra « jeu d’échecs » ary 8 taona monja no nandray anjara tamin’ny fifaninanany voalohany. Teo amin’ny faha 9 taonany kosa dia efa tompondakan’i Norvège ny « jeu d’échec » latsaky ny 11 taona.

Laisser un commentaire