Miandrivazo : Fiara Sprinter iray no niharan’ny lozam-pifamoivoizana
Fiara Sprinter iray no niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny 01 septambra 2022, 3km hiditra ny Miandrivazo mampitohy an’i Vakinakaratra sy Menabe no nisehoan’ny loza. Lehilahy iray no namoy ny ainy, 16 naratra noho ny fivadihan’ny fiara. Miisa 23 ireo mpandeha tra-doza, ankoatra ireo zaza. Miisa 16 ireo naratra, ka ny 2 tamin’ireo no tena voa mafy ary efa nahazo ny fitsaboana rehetra. Ireo ambiny kosa notsaboin’ireo mpitsabo avy amin’ny hopitaly CHRD1 tany an-toerana. Raha ny nambaran’ny mpamily dia niala lavaka ity fiara ity, ka tsy voahitsin’ny mpamily ny familiana ary nivadibadika tany anaty hantsana. Efa tonga nijery ireo tra-doza moa ny solontenam-panjakana, izay nahitana ny lehiben’ny distrika sy ny Assistant Parlemantaire. Voalaza fa fiara avy nitondra tanoran’i Morondava hiatrika JMJ any Antsirabe, tsy niala sasatra fa nanao dona miverina nitondra mpandeha io fiara io, ka izao tra-doza izao.
« Lasa mampataotra ny mandeha mivoaka mamonjy ny asanay amin’ny maraina noho ireo lozam-pifamoivoizana maro loatra, hany ka tena mampanofy ratsy mihintsy fa saika ho matetika loatra ny fisiany » hoy ireo mpitandro filaminana. « Alohan’ny hitondran’ireo mpamily mpandeha dia tokony fantariny tsara aloha ny fahatomobanan’ny fiarany fa ain’olona no hentiny » hoy Rolland mpanamboatra fiara.
Mila mitandrina hatrany manoloana ny zavatra mety hitranga.
Famenontsoa Rajerison
