ActualitésTatitra

Maurice : Tsy nahitana coronavirus tranga vaovao tao anatin’ny 24 ora

Tao anatin’ny 24 ora izao, tsy nahitana tranga vaovao tao Maurice raha ny tatitra natao anio Zoma 23 Avrily. Na dia efa nisy aza ny fitiliana natao tany Roche Bois ny omaly alakamisy 22 aprily tamin’ireo olona miisa 500 be izao. Izany hoe, 573 hatreto ny tranga hita raha 406 ny sitrana tamin’ireo. Mitôtaly 154 noho izany ny tranga an-dalam-pitsaboana ankehitriny. Ny isan’ireo lavo noho ny valan’aretina aloha izany dia miisa 13 hatreto. Marihina fa isan’ireo tena nanaja ireo fepetra ara-pahasalamana tokoa i Maurice. Hentitra ny mpitandro filaminana sy ny fitondrana amin’ny fisavana izany satria nahiditra am-ponja an-taonany mihitsy na ireo tratra tsy manao arovava aza ka izao no vokany. Mahavelom-bolo ny mponina any an-toerana tokoa izao tatitra navoaka izao.

Laisser un commentaire