ActualitésTatitra

La Réunion : Mahazo vahana be ihany koa ny aretina Dengue

Ankoatra ny Covid-19, mandripaka ny mponina ao La Réunion ihany koa ny Dengue izay mifindra amin’ny alalan’ny kaikitrin’ny moka ary hita nanomboka ny fiandohan’ny taona teo tany an-toerana ny tranga vaovao. Efa mahatratra hatramin’ny 6 188 ny tranga hita tamin’ity Dengue nanomboka tamin’izany tranga vaovao izany. Nohamafisin’ny Prefecture ny Alakamisy 22 aprily teo aza fa efa mahakasika kaominina 23 amin’ny 24 ny Dengue. 1 416 ny tranga vaovao hita ary roa no maty voaisa nanomboka ny 5 ka hatramin’ny 11 aprily lasa teo. 694 izay no efa nandalo tao amin’ny fitsaboana vonjimaika ary 224 no nahiditra hopitaly raha ny filazan’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana any La Réunion. Ny tamin’ny herinandro lasa teo aza, 918 ny tranga hita ary enina be izao no lavo. 141 no fitambaran’ireo matin’ny aretina. Ny fiarovana aminn’y kaikitry ny moka no tena vahaolana voalohany hanafoanana ny aretina hoy ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana any.

Laisser un commentaire