ActualitésTsidika

Ireo olon’ny serasersa maty tamin’ity herinandro ity

Mihorohoro ny vahoaka, tsy tahaka ny tamin’ny taon-dasa mantsy ny zava-misy ka andrasana tenenina ny vahoaka vao hanaja ny fepetra ara-pahasalamana, ankehitriny kosa efa samy tonga saina, fa ankavitsiana sisa ireo tsy manara-dalàna. Noho ny inona ? Tafiditra teto amintsika ny « variant » avy any Afrika Atsimo izay tena nasiaka tokoa ka nandripaka ain’olona maro, nahafeno ny hopitaly eny na hatramin’ny hotely fandraisam-bahiny aza feno. 10 be izao ny maty maty noho ny aretina raha ny tatitra natao omaly alakamisy 22 aprily. Izay aloha no hita fa ny maty any an-tokatranony any, ny maty eny an-dalana ho any amin’ny toeram-pitsaboana efa tsy hay intsony. Isan’ny sehatra very olomanga ny serasera, lasa ny andrarezin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety izao omaly alakamisy, Rasolofohery Alain Michel na « Paparazzi », izay mpanao gazety mpaka sary ao amin’ny « La Gazette de la Grande ile ». Efa nitazona ny anjara toeran’ny talen’ny famoahana tao amin’io gazety io ihany koa ary efa mpanao gazety tao amin’ny gazety Lakroa an’i Madagasikara ihany koa izy. Mpikambana navitrika tao amin’ny CRIMAD izay fikambanan’ny mpanao gazety mpaka sary ihany koa izy. Namoy ny ainy ny alarobia 21 aprily teo ihany koa i Rabenirainy Olga, mpanao gazety tao amin’ny TVM nanana ny maha-izy azy. Fa isan’ireo andrarezina sy ela nihetezana tao anatin’ny serasera lavo tamin’ity herinandro ity ihany koa i Profesora Rabenilaina Roger Bruno izay sady olon’ny teny malagasy no olon’ny serasera fata-daza. Ny fiaraha-monina tokoa mantsy no toeram-pilalaovan’ny serasera, ny fiaraha-monina izay iparitahan’ny tsimokaretina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire