Ilafy : Trano vao amboarina nihotsaka
Trano iray vao amboarina eny Ilafy no nihotsaka ny 13 aprily 2022 lasa teo. Olona roa no naratra mafy nandritra izany. Nifanampy sy nifanome tanana ny mponina teny amin’ny manodidina mandrapahatongan’ny mpamonjy voina.
« Olona ro ano naratra mafy. Ny iray nianjera tety ambany tsy nahatsiaro tena. Ny iray kosa voatsindrin’ny beton tetsy ambony » hoy i Patrick, mponina teny amin’ny manodidina. « Mila vahaolana avy amin’ny fanjakana ny fakana marary tra-doza tahaka izao. Manaela ny fotoana mantsy ny fiandrasana izay handray andraikitra » hoy i Romeo, mpamily. Tsara foana ny mitandrina, indrindra amin’ny tontolon’ny fanaovana trano tahaka izao. Ilaina ihany koa ny fiaraha-mientan’ny rehetra manoloana ny loza miseho. Sarobidy ny aina ary tokony ho sarobidy amin’ny rehetra ny ain’olona mitovy aminy.
