Ambohimanambola : Nasiam-panatsarana ny tobim-pahasalamana
Nahazo fitaovana vaovao ny tobim-pahasalamana ao Ampahimanga Ambohilanambola. Vaovao avokoa ireo fandriana ao anatiny, ary nahazo fitaovna mro ahazoana herinaratra azo avy amin’ny masoandro izy ireo.
« Nohatsaraina ny CSBII teto Ampahimanga Ambohimanambola. Nosoloina vaovao avokoa ireo fandriana handraisana ny marary sy ny mety mila izany. Nahazo panneau solaire maro ihany koa hisorohana ny mety fahatapahan-jiro tampoka » hoy ny Mpitsabo ao amin’ny CSBII Ampahimanga. « Tena ilaina tokoa ny fampandrosoana ny toeram-pitsaboana tahaka izao. Mazoto manantona tobim-pahasalamana ny mponina ary ireo mpitsabo aza dia tena tia mandray olona rahateo » hoy i Rolland, mponina ao Ambohimanambola. Tafiditra ao anatin’ny tetik’asan’ny fitondram-panjakana izay hisitrahan’ny rehetra ny fahasalamana ity fanatsarana ity.
Ilaina tokoa mantsy ny fanantonana ny matihanina rehefa tojo tsy fahasalamana mba tsy hilalaovana ny aretina. Sarobidy, ary tsy hananam-piry, mantsy ny fahasalamana.
