ActualitésTsidika

Hisy ny atrik’asa fampianarana manao sary

Tsy vitsy ny tanora Malagasy liana amin’ny tontolon’ny fanaovan-tsary amin’izao fotoana izao, misy mihitsy aza ireo mampiaky ny olona noho ny fahaizany mikaly tsara ny asa tanany. Mikarakara atrik’asa fampianarana manao sary ny Varatava Association ny alarobia 25 aogositra any amin’ny IKM Antsahavola.

« Tafiditra ao anatin’ny volan’ny fanaovana sary izao ka izany no antony hikarakarainay fampianarana maimaimpoana ho an’ireo izay liana » hoy i Ramamonjisoa Anita, fihoan’ny Varatava Association. « Ho ampianarina ny fomba fitazomana ny fitaovana fandokoana ny teknika eo am-pandokoana sy ny fikaliana ny asa » hoy i Rambelo Rija, mpanakanto hampianatra mandritra ny hetsika. « Mila sokafana ny lalana ho an’ireo tanora hitrandraka ny talentany ary indrindra ao anatin’ny zava-kanto tahaka izao ka izany no tena nahaliana ahy hiatrika ny atrik’asa » hoy i Angelo, tanora. Hisy fampirantiana asa tanana marobe mandritra io andro io ary mety hamoha ny talentan’ny tanora iray ny fahitana izany.

Dieny vao kely dia fantaro ny talenta mba hahafahanao mivelatra sahady rehefa tanora.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire