Fialan-tsasatra : Tsy voahaja intsony ireo fihetsika sakana
Vahoaka maro no eny amin’ny morontsiaraka Toamasina sy Foulpointe amin’izao fialan-tsasatra izao. Maro ireo mpiala sasatra no nanadino tanteraka ny fisian’ny valanaretina coronavirus izay mbola misy eto Madagasikara.
Tsy nisy intsony ny nanaja ny fihetsika sakana hisorohana izany aretina izany raha ny tazana teny an-toerana. Vitsy azo isaina amin’ny rantsan-tanana ireo manao ny arovava, tsy misy intsony ny fanajana ny elanelana iray metatra, olona maro no hita mifampitankosina. « Efa nandefa polisy izahay mba hanara-maso sy hanentana ny olona eny amin’ny morontsiraka mba hanaja ny fepetra sakana » hoy ny nambaran’ny ben’ny tanana ao Foulpointe, Sampy Elin Ranaivoson ny alatsinainy 23 Aogositra 2021.
Manahirana ireo mpitsabo izao figoragoran’ny fihetsika sakana izao ary mampanahy azy ireo ny mety hiakaran’ireo salan’isa ny tranga vaovao ny covid-19 raha mitohy izao fahagoragoran’ny fanajana ny fepetra sakana izao. Raha vao ny alahady 22 Aogositra 2021 teo no nahitana tranga fahafatesana 1 tao amin’ny faritra Atsinanana ary 950 ny fitambaran’izany fahafatesana vokatry ny covid-19 izany hatramin’ny Martsa 2020 araka ny tatitra nivoaka. Izany tahan’ny fahafatesana izany dia midika fa mbola manjaka tanteraka ao amin’iny faitra Atsinanana iny ny covid-19
Mety hampirongatra be ity aretina ity ny tsy fanajana ny fepetra ara-pahasalamana napetraka. Mampatsiahy hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka fa mbola mitohy hatrany ny fanajana ny fihetsika sakana : fanaovana ny arovava, fanajana ny elanelana iay metatra, fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony mba hisorohana ny valanaretina covid-19. Araka ny nambaran’ny fitondram-panjakana, mbola mitohy 15 andro nanomboka ny alahady 22 Aogositra teo ny hamehana ara-pahasalamana.
Entanina hatrany isika mpialasasatra sy ny olona tsirairay mba hanaja izany fepetra rehetra izany mba handresen’ny firenana Malagasy izany aretina izany.
Sitraka Rjaonarivony
