ActualitésTatitra

France : Tovovavy iray no nandoana ankizy tamin’ny fiara rehefa avy nandray zava-mahadomelina

Zazavavy kely 6 taona no maty tsy tsa-drano tao Trappes, Yvelines rehefa nofoan’ny fiara. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa tovovavy 21 taona no nitondra ny fiara ary efa voasambotra tsy lavitry ny toerana nisehoan’ny loza ny tenany.

Rehefa natao kosa ny fizahana sy ny fitiliana dia fantatra fa nandray zava-mahalomelina ilay tovovavy nitondra ny fiara. Notanana am-ponja vonjimaika avy hatrany noho ny vono olona tsy nahy noho ny zava-mahalomelina moa ity farany. Niantso ny rehetra amin’ny fitandremana manoloana ny fifamoivoizana kosa ny ben’ny tanànan’i Trappes, Ali Rabeh taorian’ny tranga.

Laisser un commentaire