Ambohimalaza : Tratra ireo mpiray tsikombakomba tamin’ny fanafihana trano tao Andranonomby
Tratran’ny zandary avy ao amin’ny brigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambohimalaza ireo olona, mpandray sy fanafenan’ireo olon-dratsy ny entana azo avy amin’ny halatra sy vaky trano, tao Ambalavato Ambohimalaza. Filazam-baovao avy amin’ny olon-tsotra eny amin’ny fiaraha-monina no nahafantarana ny toerana, araka ny voalaza.
« Rehefa nahazo alalana sy taratasy avy eny amin’ny fitsarana ny zandary dia nanatanteraka ny fisavana avy hatrany ka maro ireo entana mampiahiahy tratra tao. Nohamarinina ka fantatra fa anisan’ireo entana very tamin’ny vaky trano indroa misesy ny 27 janoary 2023 sy 13 martsa 2023 tao Ambalavato, fokontany Andranonomby Ambohimalaza tokoa ireo tratra tao » hoy ny avy amin ‘ireo zandary.
« Tena efa maro izy trangana vaky trano niseho teto Ambohimalaza izay. Hisaorana ny zandary tsy mipetra-potsiny fa manao ny asany sy mikaroka ny rariny hatrany. Izay ihany koa andrasan’ny vahoaka amin’izy ireo ary ny mba hanomezana sazy enjana ireo mpambotry ny mponina » hoy i Réné, mponina ao Ambohimalaza.
Marihina moa fa ny olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity dia efa voatazona vonjimaika eny am-ponja ka hangatahina alalana atao famotorana indray. Etsy ankilany, mitohy ny fikaroham-baovao ataon’ny mpitandro filaminana ary manentana ny fiaraha-miasa sy filazam-baovao avy amin’ny fiaraha-monina hatrany ireto farany.
Manitra R.
