ActualitésSportTsidika

Avaradrano: Fandaharan-dalao baolina kitra amin’ny faran’ny herinandro

Maro ireo lalao baolina kitra hiseho mandritra ny faran’ity herinandro ity. Amin’izao fotoana ihany koa dia mandeha ny lalao baolina kitra “Tournoi intercommunal” izay hifanandrian’ny ekipa avy eny amin’ny kaominina tsirairay ato anatin’ny distrika Avaradrano. Ankoatra izany dia misy ihany koa ny lalao fifaninanana “tournoi du maire 2023” eny Alasora.

“Mahakasika ny lalao tournoi intercommunal, dia eny amin’ny kianja Pedro ambany Ambohimangakely no hanatanterahana ny fifaninanana. Lalao roa no hiseho mandritra izany dia ny amin’ny 09 ora hifandonan’ny kaominina Alasora sy Ambohimalaza. Amin’ny 11ora sy sasany kosa, ny ekipan’ny kaominina Sabotsy Namehana hifandona amin’Ankadinandriana” hoy ireo mpikarakara ny fifaninana.

“Ankoatra ity lalao intercommunal ity dia misy ihany koa moa ny lalao tournoi du maire eny Alasora, izay tontosaina eny amin’ny kianja Est Mahazoarivo. Lalao telo no hiseho mandritra izany, izay hanomboka amin’ny 10ora maraina” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Alasora.

Ahazo vahana araka izany ireo mpankafy ny taranja baolina kitra amin’ity faran’ny herinandro ity. Ny fanentanana atao moa dia samy ho tonga maro ireo mpanohana avy amin’ny faritra tsirairay misy ny ekipany avy ho herin’ny mpilalao sy hanomezana lanja ity taranja ity.

Manitra R. 

Laisser un commentaire