Haïti : Niakatra ny tahan’ny fakana an-keriny ny zaza tsy ampy taona sy ny vehivavy
Miakatra ambony dia ambony ny tahan’ny fakana an-keriny ny zaza tsy ampy taona sy ny vehivavy ao Haïti raha ny tatitry ny Unicef. Tranga manodidina ny 300 no voarakitra nandritra ny enim-bolana voalohan’ity taona 2023 ity raha ny fanamafisana. Izany tarehimarika izany dia saika nitovy ny fitambaran’ny fakana an-keriny tamin’ny taon-dasa ary efa ho avo telo heny noho ny tamin’ny taona 2021.
Raha ny fanazavana kosa dia ireo vondrona mitam-piadiana no tena tompon’andraikitra amin’ireo fakana an-keriny ireo. Ireo zaza amam-behivavy no tena iantefan’izany ary tanjona ara-bola na « tactique » no ao ambadik’izany. Nanamafy ny talem-paritr’i Amérique latine sy Caraïbes ao amin’ny Unicef fa tsy ny mponina no rahonan’io fakana an-keriny io fa ireo mpisehatra manolo-tena hanampy ny firenena ihany koa.
Maro ireo niaran’ny fakana an-keriny mitondra takaitra ara-batana sy ara-tsaina aorian’ny famotsoran’ireo mpaka an-keriny azy raha ny fanamafisana.
