Royaume-Uni : Vehivavy roa ao amin’ny telo no hiaran’ny herisetra any amin’ny toeram-piasany
Raha ny fanadihadiana nataon’ny TUC (fédération syndicale britannique) dia vehivavy roa ao anatin’ny telo no hiharan’ny herisetra ara-moraly na ara-nofo any amin’ny toeram-piasany. Nanazava izy ireo dia iray amin’ireo telo ireo nefa dia iray ihany no sahy mitoroka noho ny tahotra tsy hinoan’ny hafa azy ireo.
Vehivavy an’arivony no nanaovan’ny TUC io fanadihadiana io. Ny roa ampahatelony amin’ireo vehivavy hiharan’ny herisetra any amin’ny toeram-piasana ao anatin’izany dia eo anelanelan’ny 25 ka sy 34 taona. Ireo vehivavy manana anton’asa misy fifandraisana amin’ny hafa kosa no tena sedran’io tranga io hoy ny sekretera jeneraly ny TUC, Paul Novak. Isan’izany ireo vehivavy miasa eo amin’ny tontolon’ny varotra, fitsaboana ary fandraisana olona (réceptionniste).
