PolitiqueTatitra

Espagne : Nampiatoan’ny fitsarana ao Ceuta ny fandroahana ireo zaza mpifindra monina tsy ampy taona ao Maroc

Efa nanomboka ny zoma teo no nandroaka zaza tsy ampy taona tsy misy mpiahy hiala tao an-toerana i Espagne. Nahatoan’ny fitsarana ny alatsinaniny teo kosa izany noho ny fangatahan’ny ONG roa nanantoanan’ireo tanora ireo hanampy azy hijanona ao an-toerana.

Tonga niaraka tamin’ireo andiana mpifindra monina tamin’ny volana mey ireo ankizy ireo. Olona 10 000 no tonga tao an-toerana tamin’izany. Efa nampodiana tao Maroc kosa nefa ny ankahamaron’ireo olona 10 000 saingy mbola nisy ankizy tsy ampy taona 820 kosa tao Ceuta tamin’ny volana jona teo

Laisser un commentaire