17 aogositra : Andro iraisam-pirenena ho an’ny saka mainty
Vao tsy ela akory izay no nankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny saka
fa raha ho an’ny 17 aogositra manokana dia tsaroana manokana ireo saka
maty. Io daty io araka izany no andro natokana mba hanomezan-danja azy ireo
izay tratran’ny tositosika sy ny fanavakavahana noho ny lokony. Mandritra
izany no hanentanana ny rehetra mba ho tia sy hiompy azy ireny.
« Midika ho zavatra ratsy sy mitondra vintana ratsy eo amin’ny fiainana ny
saka mainty ka tsy tokony ompiana any an-trano » hoy i Flavienne,
renim-pinakaviana. « Izay miompy saka mainty no antsoina fa mpamosavy raha
ny fitaizana nentin’ireo ntaolo » hoy indray i Miadana. Nilaza kosa anefa ny
rantsana iray miaro ny saka fa ny saka mainty no tena tratran’ny herisetra
indrindra maneran-tany ary be mpanary indrindra sy tsy misy mpitia kanefa
mitovy ny saka rehetra ihany izay tsy midika na inona na inona ny lokony fa
mba mampiavaka azy fotsiny.
Tokony hiompy saka mainty isika araka izany mba ho hetsika hiarovana azy
ireo satria mitovy ny saka rehetra izy ireny ary tena biby manakaiky ny
olombelona tokoa tahaka ny alika.
Nicole Rafalimananjara
