Anjeva : Nisy ny hetsika fambolen-kazo sy tan-tsoroka ho an’ny mponina
Nanatanteraka hetsika fambolen-kazo sy tan-tsoroka ho an’ny mponina, ny kaominina Anjeva gara, niaraka tamin’ny Banky foiben’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Tao amin’ny fokontany Ambohidrazana no nanatontosana izany, araka ny voalaza.
« Miditra amin’ny faha fito taonany ny fiaraha-miasa eo amin’ny banky foiben’i Madagasikara sy ny kaominina Anjeva gara amin’ity taona ity. Nentina nanamarihana izany ny hetsika fambolen-kazo sy ny fampandraisana anjaran’ny mponina teto an-toerana izay narahana tan-tsoroka ihany koa » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Zava-dehibe ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana ny hetsika tahaka izao, indrindra ny fisorohana ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny mponina sy ny famokarana. Hisaorana ny tomponandraikitra nanatanteraka ny hetsika satria anisan’ny mitsinjo ny ho avin’ny taranaka ary mampianatra ny mponina, indrindra ny mpianatra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana izany » hoy i Miora, mponina ao Anjeva.
Marihina moa fa anisan’ny nojerena manokana ny fokontany Ambohidrazana tamin’ity hetsika ity, ary nosinganina tamin’izany ny EPP sy ny vohitra Miakandrefandoha nanatanterahana ny hetsika.
