SocialTatitra

Etats-Unis : Tsy mahavoasazy ny fifohana zava-mahadomelina, saingy mandoa lamandy 100 dolara

Tao anatin’ny telo taona izao, tsy nisy ny sazy fanamelohana ireo mpifoka zava-mahadomelina any Oregon, any Etats-Unis. Misy kosa anefa ireo tomponandraikitra manome tapakila (contravention), misy laharana finday mba hitarihina na hisintonana ireo mpandray zava-mahadomelina hitsabo tena. Amin’ireo zava-mahadomelina toy ny cocaïne, héroïne, ecstasy, fentanyl, ireo tratra manjifa izany (amin’ny fatra ambany) dia mandoa lamandy hatramin’ny 100 dolara. Ireo mpivarotra sy mamokatra izany kosa dia mbola enjehin’ny lalàna any an-toerana. Tahaka ny any Portugal, ity lalàna ity dia napetraka ho an’ireo mpandray zava-mahadomelina izay sokajiana ho aretina fa tsy fandikan-dalàna. Na izany aza anefa, mbola mampisalasala ny maro izany.

Laisser un commentaire