SocialTsidika

Ambatondrazaka : Filokana niafara tamin’ny fikakerana sofin’olona

Nokakerin’ity tovolahy ny ravin-tsofin’ny namany rehefa nisavoritaka ny kaontin’ny vola nilokan’izy ireo karatra na ramy. Niongotra mihitsy ny ravin-tsofin’ity namany.

« Noroitiny tany am-bava ny sofiny. Rehefa nikaikaika ity voakaikitra izay vao naforany tamin’ny tany » hoy i Velo, mponina ao Ambodimanga Ambatondrazaka izay nisehoan’ny loza. « Tsy nifanaraka teo izy roa lahy noho ny ady vola. Filokana no niafara tamin’ny fikakerana sofin’olona » hoy ireo namany.

Efa nahazo fitsaboana ny naratra taorian’izay. Tranga tsy dia mpiseho tokoa ny tahaka izao ary tena nahavariana ny maro.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire