Dépêches

Zambia: Notolorana « Ordre de mérite »

21 Martsa, 08h00. I Zambia na Ramaroson Zambrole ilay lehilahy nanavotra ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenana ny jeneraly Serge Gellé tany Mahambo izay tratry ny lozam-piaramanidina ny 20 desambra 2021 teo. Ho fankasitrahana azy dia notolorana mari-pankasitrahana «Ordre de mérite» niampy fampitaovana samihafa ilaina amin’ny fanjonoana, izay asa fivelomana izy sy ireo namany. Ambandrika : Vaky indray ny fefiloha tao Manamontana

Laisser un commentaire