ActualitésTsidika

Miandrivazo : Ampitomboina haingana ny voka-bary

Velaran-tany mirefy 7Ha ao amin’ny lemaka Morarano, Kaominina Andranomainty Miandrivazo no hanaovana vala tahaka ho fampiroboroboana ny fambolem-bary manaraka teknika. Isan’ny paikady mahomby hanatsarana sy hampitomboana haingana ny voka-bary ny fametrahana vala tahaka amin’ireo Distrika rehetra manerana an’i Madagasikara.

« Misitraka ity paik’ady ho entina ampitomboina ny voka-bary ity ny Distrika rehetra eto amin’ny Faritra Menabe. Nomena tohana ara-teknika, masomboly, zezika ary fampitaovana ireo tantsaha » hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny fambolena sy ny fiompiana Menabe. « Tanjona ny hitsidihana sy hampiharan’ ireo Tantsaha hafa ny teknika mahomby izay aseho amin’ireo vala tahaka ireo. Izany dia mba hahafahana manatratra ny vinan’ny Filoham-pirenena amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo » hoy ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana.

Sehatra be mpanao tokoa ny fambolena eto amintsika. Tsara tokoa raha io no sehatra mandroso indrindra. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire