ActualitésTatitra

Irlande : Mbola tsy lefy laza ny Snow Patrol

Tarika mivohy ny gadona « rock alternatif » ny Snow Patrol. Avy ao Irlande du Nord sy Ecosse ny mpikambana ao aminy misy an’i Gary Lightbody (mpihira sy mpitendry gitara), Jonny Quinn (batterie), Nathan Connolly (gitara), Paul Wilson (basse) ary Johnny McDaid (claviers, gitara).

Tsy nisy nahafantatra anarana ny tarika nandritra ny famarotany rakikira roa. Nandritra ny Final Straw tamin’ny taona 2003 izy ireo vao niseho ary tafiditra tao amin’ny laharana fahatelon’ny mpihira nahalafo rakikira btesaka indrindra tao Royaume-Uni.

Voasokajy ho goavana indrindra eran-tany ny rakikira nataon’izy ireo « Eyes Open » taona 2006 (n°1 sur l’UK Albums Chart) sy ny « A Hundred Million Suns taona 2008 (n°2 sur l’UK Albums Chart). Mbola tsy lefy laza ny tarika, mbola manohy ny seho an-tsehatra izy ireo izay fahombiazana tanteraka toy ny tamin’ny 24 jolay teo tao Suffolk, Royaume-Uni.

Laisser un commentaire