01 Aogositra : Andro iraisam-pirenena ho an’ny fehitenda
Ny andron’ny 01 aogositra no hanamarihana ny andro maneran-tany ho any’ny fehitenda. Nanamarika izany manokana ireo skoto maneran-tany satria manao izany fehin-tenda maha skoto azy izy ireo isaky ny 01 aogositra toy izao.
Manana ny heviny manokana ny fehitenda raha ho an’ny skoto. Raha ara-tantara, dia misy ifandraisany tamin’ny ady lehibe faharoa nandraisan’i Baden Powell anjara, tao Matabele, ny taona 1896. Fakan-tahaka ilay mpisava lalana amerikanina, nampiasain’ny tafita britanika Frederic Russell Burnhall, ny fomba fiakanjony sy ny fampiasana ilay lamba kely miloko volon-davenona nifatotra tamin’ny tendany. Izany dia mba ho fiarovana ny masoandro no nentin’ilay filoha mpamorona ny skoto rehefa nanokatra ny lasy voalohany tao amin’ny nosy Brownsea izy ny 01 aogositra 1907.
Midika ho mariky ny fitoviana sy fiombonana ary endrika fampiainana iombonan’ny skoto eran’iza tontolo izao araka izany no tanjon’ny fehin-tenda, araka ny nametrahan’ny filoha mpamorona azy hatrany. Ny skoto eto Madagasikara dia anisan’ny mandray anjara ao anatin’izany fomba fiaina izany. Ary anisany manome lanja ny dikan’ny loko sy ny karazana fehin-tenda salorany, izay misy karazany maro tokoa. Mandray anjara feno amin’ny fifanampiana sy ny asa sosialy isan-karany ireo skoto eto amintsika.
Manitra Ramanantsoa
