Toetr’andro : Mila arahi-maso akaiky ny fivoaran’ny Freddy ny herinandro ho avy izao
Amin’ity herinandro ity araka ny fanambaran’ny avy ao amin’ny Foibe famantarana ny toetr’andro dia tsy ahiana hisy ny rivo-doza mety hahakasika ny an’ny Madagasikara. Mila araha-maso akaiky anefa ny rivo-doza Freddy, ho amin’ny herinandro ho avy izao satria mety hahakasika iny ilany atsinanan’ny Madagasikara iny izy amin’izany. Hatreto dia mitondra tafiotra hatramin’ny 295km/h izy amin’izao fotoana izao ary any amin’ny 2000 km atsinanan’ny Nosy Mascareignes no ahitana azy.
« Hatreto dia ahiana ny hidirany an-tanety amin’ny faran’ity herinandro ity ary ny Île Rodrigues no mety hidirany ny alahady izao. Raha ny mahakasika an’ny Madagasikara kosa dia mbola tsy fantatra araka ny fiovan’ny lalan’ity rivo-doza ity amin’iny faran’ny herinandro iny. Mety ho betsaka kosa anefa ny rotsak’orana ho an’ny faritra Atsinanana, Analamanga, Atsimo Atsinanana, Bongolava ary Itasy ho amin’io herinandro io », hoy ny avy ao amin’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro.
« Tsy mahafaty antoka ny mailo htrany. Dieny mbola tsy tonga ny rivo-doza dia tokony efa samy mandray fepetra ny faritra isan-tokony amin’ny fiomanana satria araka ny nambaran’ny Météo hatrany dia mety hahery vaika ity rivo-doza vaovao ity. Etsy ankilany anefa dia efa vonona amin’ny mety ho fiantraikany ny rafitra tsirairay raha sanatria misy ny loza », hoy kosa avy eo anivon’ny BNGRC.
Mila mailo ny mpiandriaka, ireo manana trano somary marefo, ireo olona sahirana sy ireo izay rehetra mahatsapa fa tandindomin-doza amin’ny loza manambana toy izao. Tokony samy hahay hitondra tena araka ny zava-misy ny tsirairay araka izany ary hifanampy raha misy ny tsy hampoizina.
Miora Raharisolo
