ActualitésTsidika

Fahasalamana : Laharam-pahamehana ny famongorana ny aretina lefa-kozatra

Laharam-pahamehana ho an’ny Madagasikara ny famongorana ny eretina lefa-kozatra amin’ity taona 2023 ity. Nisy araka izany ny fivoriana an-databatra boribory izay natao hifampidinihana ny mahakasika izany ady amin’ity aretina ity izany. Nisy araka izany ny vahaolana naroso hahafahana manatratra izany tanjona izany.

« Nisy fivoriana izay natao dia niresahana mahakasika ireo olana isan-karazany manodidina ity aretina ity. Nivoitra nandritra izany ny stratejia roa izay horaisin’ny fanjakana ho famongorana azy dia ny fametrahana fandrindrana matanjaka, ary fanatanterahana hetsika vaksiny lefakozatra tsara kalitao, manampy antigène sy fitaovana hafa mifanaraka amin’izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana.

« Aretina ratsy ny polio, misy fiantraikany mafy amin’ireo izay voan’izany. Ny fahavitana ny vaksiny izay hanentanan’ny Ministera anefa dia efa vahaolana amin’izany. Ny Ray aman-dReny indrindra indrindra tsy tokony hatahotra ny mahakasika ny vaksiny izany fa mahasoa ny rehetra io. Ilay manely tsaho mihitsy no tokony hialana satria tsy ny fitondram-panjakana mihitsy no hamono olona izany », hoy ny Mpitsabo avy amin’ny Hopitaly tsy miankina iray.

Nanomboka tamin’ny taona 2020 dia niverina nisy indray ity aretina ity na dia efa nahazo ny marika avy amin’ny OMS fa fongana aza io aretina io, araka ny fantatra hatrany dia noho ny fikorontanan’ny mpiasan’ny fahasalamana nandritra ny firoboroboan’ny covid-19 no nahatonga izany. Araka izany dia tokony samy handray andraikitra ny tsirairay hiaro ny zanany amin’ity aretina ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire