Fampianarana ambony : Nisy ny atrik’asa fakan-kevitra hanvaozana ny politikam-pirenena ho an’ny fikarohana sy ny haivao
Nanatanetaraka atrik’asa fakan-kevitrta teny Ankatso ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony hahafahana manamboatra indray ny politikam-pirenena ho an’ny fikarohana sy ny haivao (Politique Nationale de la Recherche et de l’Innovation PNRI). Nandritra izany fihaonana izany no nitadiavana vahaolana amin’ny fikarohana izay tokony hataon’ireo mpikaroka, ahafahana manova ity voka-pikarohana ity ho mendrika ny karazan’olona rehetra.
« Tanjona tamin’ity atrik’asa ity ny hitarihana ireo mpandray anjara fototra amin’ny fikarohana siantifika mba hampifanaraka ny fikarohana ataony amin’ny filan’ny vondrom-piaraha-monina itsinjaram-pahefana misy azy mba hahazoana vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny 7 taona (2023-2030). Ity no dingana farany tamin’ny fakan-kevitra rehetra izay notanterahana nanerana ireo Oniveriste miisa 6 manerana ny Nosy », hoy ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana Siantifika.
« Ny tena mampandroso dia mandeha midina ifotony mihitsy ny mpikaroka mijery ilay antsoina hoe « realité hahafahana mamoaka « constat ». Raha mijanona ami’ny fikarohana fotsiny anaty bibliothèques dia mijanona ho boky fotsiny ihany koa io fikarohana io fa tsy hivoaka mihitsy. Mety hoe ireo mpianatra no halefa mikaroka kanefa ilaina hatrany ny firotsahan’ny tsirairay an-tsehatra hahafahana samy mandray izay tandrify azy avokoa », hoy i Marcellin, mpianatra mpikaroka avy ao Fianarantsoa tamin’ny fanehoan-keviny.
Ilaina fiaraha-miasa ny zavatra goavana lehibe toy itony, misokatra araka izany ny Ministera amin’izay mety ho fiaraha-miasa rehetra hahafahana mahazo vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’izany fito taona ho avy izany. Politika manara-penitra io izay mamaly ny filan’ny faritra rehetra sy ny firenena iray manontolo ka izay indrindra no ilaina izany fiarah-miasa izany.
Miora Raharisolo
