ActualitésTatitra

France : Tovovavy 15 taona niharan’ny herisetra an-jotra no nitsoraka tao ambany fiaran-dalàmby

Tovovavy 15 taona i Juliette, namono tena tamin’ny 3 martsa 2016 izy nohon’ny herisetra an-jotra (harcèlement en ligne) nahazo azy. Nitsoraka tao ambany fiaran-dalàmby tao Lisieux, Calvados io tovovavy io rehefa naparitakin’ny zatovo maromaro tamin’ny tambajotra sosialy ny sariny niboridana.

Nohelohin’ny fitsarana higadra 2, 3 ary 4 volana tamin’ity volana oktobra ity kosa ireo zatovo nanao herisetra an-jotra tamin’i Juliette. Telo vavy sy roa lahy ireo raha ny fantatra ary mbola tsy ampy taona avokoa tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga. Nisy olona fahaenina ampy taona iray kosa nanampy azy ireo ary hotsaraina ny volana janoary 2023 izao.

Efa nikasa namono tena i Juliette talohan’ny nitsorahany tao ambany fiaran-dalàmby hoy ny reniny saingy ireo namany no nanakana azy tamin’izany. Notontosainy ihany nefa ny fikasany.

Laisser un commentaire