PolitiqueTatitra

Géorgie : Mponina an’arivony nanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta

Olona an’arivony ny alahady lasa teo no nanao fihetsiketsehana tany Géorgie, nangataka ny fialàn’ny governemanta taorian’ny fahafatesan’ny mpanao gazety iray. Ity farany izay niharan’ny daroka nataon’ireo tafika avy amin’ny ankavanana tamin’ny hetsi-panoherana ny vondron’olona LGBT.Hita maty tao am-pandrinany ny alahady teo i Alexandre Lachkarava, 37 taona, raha ny voalazan’ny TV Pirveli niasany. Niaran’ny vono feno herisetra iny nandritra ny fifanoherana ary nahita ratra be tarehiny. Mpanao gazety mihoatra ny 50 ihany koa no notafihina tamin’io andro io.Araka ny mpanao gazetin’ny AFP kosa dia olona manodidina ny 8.000 no nivory tamin’ny 8 ora (4 ora GMT) teo alohan’ny Parlemanta ny Alahady noho ny antson’ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona. »Takianay ny fametraham-piala avy hatranin’i Iraqli Garibashvili sy ny governemantany, izay mitarika ny herisetra amin’ny mpanao gazety, » hoy i Nika Melia, mpitarika ny antoko mpanohitra lehibe.Giorgi Svanidze, dokotera 43 taona ihany koa dia nilaza taminy fa « manao izay ankahalan’ny firenena ny mpanao gazety, ny mpiaro ny zon’olombelona, ny mpanohitra ny governemanta ». « Tsy maintsy miala ny governemanta, » hoy izy.

Laisser un commentaire